Ephesians 4

1Noho izany, izaho, amin’ny maha gadra ho an’ny Tompo ahy, dia mamporisika anareo mba handeha am-pamendrehana amin’ny antso izay niantsoana anareo. 2Mamporisika anareo aho mba hanana fanetren-tena lehibe sy fahatsorana ary faharetana, mifandefitra amin’ny fitiavana. 3Manaova izay faran’ny herinareo mba hitahirizana ny firaisan’ny Fanahy amin’ny fatoran’ny fihavanana.

4Iray ihany ny vatana ary iray ihany ny Fanahy, tahaka ny niatsoana anareo tao amin’ny fanantenan’ny fiantsoana anareo iray ihany koa. 5Ary iray ihany ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa, 6ary iray ihany Andriamanitra sy ny Rain’ny rehetra, izay ambonin’ny zavatra rehetra ary amin’ny alalan’ny zavatra rehetra sy ao amin’ny zavatra rehetra.

7Isika tsirairay avy dia nomena fahasoavana araka ny haben’ny fanomezan’i Kristy. 8Araka ny tenin’ny Soratra Masina izany hoe: “Rehefa niakatra tany amin’ny avo Izy, dia nitondra ireo babo ho amin’ny fahababoana, ary nanolotra fanomezana ho an’ny vahoaka Izy.”

9Inona ny hevitry ny hoe: “Niakatra Izy,” raha tsy hoe nidina tany amin’ny faritra ambanin’ny tany ihany koa Izy? 10Izy Ilay nidina ihany ilay olona niakatra ambony tany an-danitra, mba afahany mameno ny zavatra rehetra.

11Kristy dia nanolotra ny sasany ho apostôly, ny sasany ho mpaminany, ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho pasitera sy mpampianatra. 12Nanome ireo asa ireo Izy mba hanampiana ireo vahoakany masina ho amin’ny asa fanompoana, amin’ny fanorenana ny vatan’i Kristy. 13Manohy manorina ny vatany Izy mandra-pahatrarantsika rehetra ny firaisam-pinoana sy ny fahalalana ny Zanak’Andriamanitra, ary mba hahatonga antsika ho matotra ka mba hahatratra ny haben’ny fahafenoan’i Kristy.

14Manorina antsika Kristy mba tsy ho toy ny zaza izay atopatopan’ny onja intsony isika, ary tsy ho entin’ny rivotry ny fampianarana sy ny hafetsen’ireo olona amin’ny tetika feno fitaka. 15Fa isika kosa, amin’ny filazana ny fahamarinana amin’ny fitiavana, dia tokony hitombo amin’ny fomba rehetra ao amin’Izy izay loha, izany hoe, Kristy. 16Kristy dia manangana ny tena rehetra, ary nakambana sy natambatra tamin’ny isan-tonony izany, ary rehefa miasa miaraka ireo, dia mahatonga ny vatana hitombo mba hampiorina ny tenany amin’ny fitiavana.

17Noho izany, dia milaza sy manindry mafy izany ao amin’ny Tompo aho, mba tsy hiaina tahaka ny Jentilisa intsony ianareo, amin’ny fahafoanan’ny fisainan’izy ireo. 18Maizina ny fahalalan’izy ireo, tafasaraka amin’ny fiainan’Andriamanitra nohon’ny tsy fahalalana ao amin’izy ireo, nohon’ny fahamafisam-pon’izy ireo. 19Tsy mahalala menatra izy ireo ary nanolotra ny tenan’izy ireo ho amin’ny filan’ny nofo, ary manohy manao izao karazam-pahalotoana rehetra izao.

20Fa tsy izany no fomba nianaranareo ny momban’i Kristy. 21Inoako fa naheno ny momba Azy ianareo, ary nampianarina tao aminy, satria ny fahamarinana dia ao amin’i Jesosy. 22Nampianarina ianareo mba hanary ny fomba fiainanareo taloha, mba hanary ny toetra taloha. Ilay toetra taloha izay simba nohon’ny fitaky ny filany.

23Nampianarina ianareo mba hihavao ao amin’ny fanahin’ny sainareo, 24ary hitafy ilay olom-baovao izay nohariana araka ny endrik’Andriamanitra _ ao amin’ny tena fahamarinana sy fahamasinana.

25Noho izany, ialao ny lainga, ary aoka ny tsirairay aminareo hifampilaza ny marina amin’ny namany, satria samy isan’ny rantsan’ny rehetra isika. 26Mitezera fa aza manota. Aza avela ho tratrin’ny masoandro mody ny hatezeranao. 27Aza manome hirika ho an’ny devoly.

28Izay nangalatra dia tsy tokony hangalatra intsony. Tsy maintsy miasa izy, manao asa tsara amin’ny tanany, mba hananany zavatra ho zaraina ho an’ireo ao anatin’ny tsy fahampiana. 29Aza avela hisy teny maloto hivoaka avy amin’ny vavanareo. Mampiasà teny izay ilaina amin’ny fanorenana ny hafa, araka izay ilain’izy ireo, mba tena hanampy ireo izay mihaino anareo ny teninareo. 30Ary aza mampalahelo ny Fanahy Masin’Andriamanitra, fa avy aminy no nanaovana tombo-kase anareo ho amin’ny andron’ny fanavotana.

31Ialao ny lolom-po rehetra, haromontana, ny hatezerana, ny fifamaliana, ary ny fifampitenenan-dratsy, miaraka amin’ireo karazan’asa ratsy rehetra. Manàna fahalemem-panahy amin’ny tsirairay avy, fahatsoram-po, mifamelà heloka, toy ny namelan’Andriamanitra anareo tao amin’i Kristy.

32

Copyright information for PltULB